<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>An-dafin' ny efitra lava sy maina FFPM516</title>
<lyrics>[V1]
 An-dafin'ny efitra lava sy
 maina
 No misy ilay tany izay
 mamin'ny fo
 Ilay tany izay efa
 nampanantenaina
 Ho lovan'ny mino izay
 mankatò
 Iriko indrindra ny mba
 ho tafita,
 Tsy mety miadana
 mandra-pahita.

[V2]
 Anefa ny lala-mankany
 no mafy,
 Ny rafiko maro manotrika ao,
 Ny nofo indrindra no tena
 mpandrafy,
 Ka tery ny lalan-kaleha izao !
 Anefa tsaroako tsara ny teny
 Milaza fa misy fitsaharana
 eny.

[V3]
 Ka aza mba ketraka,
 ry mpivahiny,
 Hevero fa Jeso no momba
 anao ;
 Ilay nampangina ny loza
 fahiny
 Dia mbola mahay
 mampandresy anao !
 Andrasonao kely, ho lany
 ny fetra,
 Ho ringana ny fahavalo
 rehetra

[V4]
 Izaho hiezaka mafy tokoa
 Hahazo ny loka ao
 alohako ao ;
 Ny tafio-divotra mba
 mahasoa,
 Fa hahatongavako
 faingana ao ;
 Indray mipi-maso ny eto
 an-tany
 Ny any an-danitra tsy
 hita lany.</lyrics>
<hymn_number>516</hymn_number>
</song>